BOKY : TONGA NY MAZAVA III

Ny Fiangonana Kristiana :

Tsangambato FKMSM 25ème

Noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia feno 25 taona ny niorenan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy eto Suisse sy ny manodidina. Ny FKMSM, araky ny fanafohizan-teny ahafantaran’ny maro azy, dia nipoitra avy tamin’ny fanirian’ireo Malagasy nonina tao Suisse fahizany – notarihin’ireo Komity voalohany dia i Pastora Rabemanantsoa Noël mivady, Itompokolahy Robel Blaise, Raharison Aimé, Jaona Emile, Andriamasy Léon, Robel Olga ary Eggiman Angeline – hiaraha-mivory, hidera an’Andriamanitra amin’izay fomba efa mahazatra azy, amin’ny vavaka sy hira amin’ny teny malagasy.

Hatry ny niorenan’ny FKMSM tamin’ny taona 1985 ka mandrak’androany dia miverina matetika ny fanontaniana hoe: “Moa tena Fiangonana marina ve ny FKMSM?”. Ho an’ireo mpiangona ao moa dia ENY mazava ny valin-teny satria ny fanarahana an’Andriamanitra, amin’ny alàlan’ny fanajana sy fampianarana madio ny Soratra Masina ary ny fizaràna marina ny Sakramenta, no antony ivoriany ao. Ho an’ny olona sasany kosa, Kristiana tsotra na mpitondra fivavahana, dia fikambanana (“association”) ny FKMSM fa tsy azo antsoina hoe Fiangonana satria tsy miankina amin’ireo Fiangonana samihafa misy any Madagasikara, toy ny EKAR, FJKM, FLM, Advantista, ary Anglikana.

Mitondra valiny momba io fanontaniana io Pastora RABEMANANTSOA Noël amin’ity boky ity, amin’ny alàlan’ny famelabelarana ny atao hoe “Fiangonana Kristiana”, arak’izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina.

Isaorana Andriamanitra naniraka ny mpanompony hanao izany asa masina izany, ary mankasitraka an’i Pastora RABEMANANTSOA Noël nanaiky nampiasa ny talenta nomen’ny Tompo azy ho amin’izany.

Koa am-pifaliana no anoloran’ny FKMSM ity boky ity ho isan’ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-25 taona niorenany. Tsy ho an’ny mpiangona ao amin’ny FKMSM irery ihany anefa ny boky, fa ho an’ireo Kristiana tsy an-kavanavaka izay mijoro ho vavolombelon’ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny fanorenana Fiangonana amin’ny toerana izay nametrahan’ny Tompo azy.

Hanampy azy ireo hiroso tsy am-pisalasalana amin’ny fitoriana ny Soratra Masina anie ity boky ity, amin’ny firaisana marina amin’i Kristy Jesosy, araky ny Teny fanevan’ny faha-25 taonan’ny FKMSM manao hoe: “Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy”, Jaona 15: 5b.

Geneva, faha 2 Mey 2010.

RANDRIAMIHARISOA Alex

Filohan’ny FKMSM

TEHINDRAZANARIVELO Liva

Komity FKMSM, mpandrindra ny fanontana ny boky

0 commentaires

Ajouter un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.