13 février 2014

Alakamisy 13 Febroary 2014

Des questions honnêtes peuvent conduire à des réponses faisant grandir la foi. (NPQ)

1 PETERA 3.13-18

HO AMIN’NY SOA MANDRAKARIVA

Ry havako,

Amin’ny fifaliana mandrakariva no hamangiana sy hiarahabana anao sy ny ankohonanao amin’ny alàlan’ity hafatra hifampaherezantsika isan’andro ity.

Ho aminareo hatrany anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanan’i Jesoa Tompo.

Tsy mahafaty antoka ny manao soa, fa tsy mitondra ho amin’ny fahatsarana koa anefa ny famaliana ratsy izay manao ratsy. Reseo amin’ny soa ny ratsy, ary ny Soratra Masina dia manamarina sy manome tombon-dahiny ny mahitsy sy mino ka mandeha amin’ny fahamarinana. «Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo ho sotroiny;fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo eo an-dohany. (hahatsiaro tena izy) Aza mety resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.» Romana 12.20-21

Tena sarobidy sy mihoatra noho ny fiheveran’ny olona ny fiheveran’Andriamanitra sy ny fanambaran’ny Soratra Masina izay mirakitra ny Tenin’Andriamanitra nampitondraina ho an’ny olona.

Ny Tenin’Andriamanitra mitarika ny olona ho amin’ny finoana sy ny hahatonga azy ho amin’ny fahatsaràna hatrany, mba hahatanteraka ny olon’Andriamanitra ho vonona amin’ny asa tsara sy tsara rehetra. Izany fanambaran’ ny Tenin’Andriamanitra izany no mamelona ao amin’ny mino ny Tena Fitiavana izay avy amin’ Andriamanitra.

Reseo amin’ny soa ny ratsy? Toetra mifanohitra amin’ny fisainan’ny olombelona, kanefa toetra tena mahamendrika ny zanak’Andriamanitra rehetra. Ny fanaovan-tsoa na dia ny fahavalo aza, dia hahatonga azy ireny handini-tena mba hitondra ho amin’ny fiovam-po, fa raha tsy izany kosa dia efa mametraka vainafo eo an-dohany hoy ny Soratra Masina.

Ny dia tsy mahazo valiny eo noho eo aza ny asa fanaovan-tsoa, ary na dia tsy ilay nanaovan-tsoa aza no mamaly, ny Tompo kosa manana ny làlana hiheverany ny olony ka hamaliany azy amin’ny fomba tsy takatry ny saina maha-olona.

Aza atao mahakivy na handreraka ny saina ny fanaovan-tsoa, na dia tsy hahitana vokatra eo noho eo aza, ary tsara kokoa aza ny tsy mitady valiny amin’ny fanaovana ny tsara na dia ho an’izay mitsangana ho fahavalo, fa ny Tompo koa dia efa nijaly sy notsaraina tamin’ny tsy fahamarinan’ny olona, izany anefa dia tsy nitakiany valiny fa ny hamonjena kosa izay rehetra mino mba ho tonga amin’ ny fahafahana sy tsy ho zogain’ny faharatsiana.

Na izaho na ianao àry, dia asain’ny Tenin’Andriamanitra nampitondraina mba handresy ny ratsy amin’ny soa sy ny tsara, fa samy mbola ampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra ny isam-batan’olona. Fa ny mino kosa dia hitoetra amin’ny fanantenana lalandava fa mahalala ny momba azy ny Tompo ka haneho ny Voninahiny eo amin’izay manao soa sy mandresy ny ratsy amin’ny fanaovan-tsoa.

Fanovana farany (Alakamisy 13 Febroary 2014 12:23)

0 commentaires

Ajouter un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.