{"id":1170,"date":"2014-03-08T12:48:54","date_gmt":"2014-03-08T11:48:54","guid":{"rendered":"http:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/?p=1170"},"modified":"2014-03-08T12:48:54","modified_gmt":"2014-03-08T11:48:54","slug":"13-fevrier-2014","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/archives\/1170","title":{"rendered":"13 f\u00e9vrier 2014"},"content":{"rendered":"<h2 style=\"text-align: center;\">Alakamisy 13 Febroary 2014<\/h2>\n<div>\n<p><b><i>Des questions honn\u00eates peuvent conduire \u00e0 des r\u00e9ponses faisant grandir la foi. (NPQ)<\/i><\/b><\/p>\n<p><b>1 PETERA 3.13-18<\/b><\/p>\n<p><b>HO AMIN&#8217;NY SOA MANDRAKARIVA<\/b><\/p>\n<p align=\"center\">\n<p>Ry havako,<\/p>\n<p>Amin&#8217;ny fifaliana mandrakariva no hamangiana sy hiarahabana anao sy ny ankohonanao amin&#8217;ny al\u00e0lan&#8217;ity hafatra hifampaherezantsika isan&#8217;andro ity.<\/p>\n<p>Ho aminareo hatrany anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanan&#8217;i Jesoa Tompo.<\/p>\n<p><b>Tsy mahafaty antoka ny manao soa, fa tsy mitondra ho amin&#8217;ny fahatsarana koa anefa ny famaliana ratsy izay manao ratsy. Reseo amin&#8217;ny soa ny ratsy, ary ny Soratra Masina dia manamarina sy manome tombon-dahiny ny mahitsy sy mino ka mandeha amin&#8217;ny fahamarinana. \u00abFa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo ho sotroiny;fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo eo an-dohany. (hahatsiaro tena izy) Aza mety resin&#8217;ny ratsy ianao, fa reseo amin&#8217;ny soa ny ratsy.\u00bb Romana 12.20-21<\/b><\/p>\n<p>Tena sarobidy sy mihoatra noho ny fiheveran&#8217;ny olona ny fiheveran&#8217;Andriamanitra sy ny fanambaran&#8217;ny Soratra Masina izay mirakitra ny Tenin&#8217;Andriamanitra nampitondraina ho an&#8217;ny olona.<\/p>\n<p>Ny Tenin&#8217;Andriamanitra mitarika ny olona ho amin&#8217;ny finoana sy ny hahatonga azy ho amin&#8217;ny fahatsar\u00e0na hatrany, mba hahatanteraka ny olon&#8217;Andriamanitra ho vonona amin&#8217;ny asa tsara sy tsara rehetra. Izany fanambaran&#8217; ny Tenin&#8217;Andriamanitra izany no mamelona ao amin&#8217;ny mino ny Tena Fitiavana izay avy amin&#8217; Andriamanitra.<\/p>\n<p><b>Reseo amin&#8217;ny soa ny ratsy? Toetra mifanohitra amin&#8217;ny fisainan&#8217;ny olombelona, kanefa toetra tena mahamendrika ny zanak&#8217;Andriamanitra rehetra. Ny fanaovan-tsoa na dia ny fahavalo aza, dia hahatonga azy ireny handini-tena mba hitondra ho amin&#8217;ny fiovam-po, fa raha tsy izany kosa dia efa mametraka vainafo eo an-dohany hoy ny Soratra Masina.<\/b><\/p>\n<p><b>Ny dia tsy mahazo valiny eo noho eo aza ny asa fanaovan-tsoa, ary na dia tsy ilay nanaovan-tsoa aza no mamaly, ny Tompo kosa manana ny l\u00e0lana hiheverany ny olony ka hamaliany azy amin&#8217;ny fomba tsy takatry ny saina maha-olona.<\/b><\/p>\n<p><b>Aza atao mahakivy na handreraka ny saina ny fanaovan-tsoa, na dia tsy hahitana vokatra eo noho eo aza, ary tsara kokoa aza ny tsy mitady valiny amin&#8217;ny fanaovana ny tsara na dia ho an&#8217;izay mitsangana ho fahavalo, fa ny Tompo koa dia efa nijaly sy notsaraina tamin&#8217;ny tsy fahamarinan&#8217;ny olona, izany anefa dia tsy nitakiany valiny fa ny hamonjena kosa izay rehetra mino mba ho tonga amin&#8217; ny fahafahana sy tsy ho zogain&#8217;ny faharatsiana.<\/b><\/p>\n<p><b>Na izaho na ianao \u00e0ry, dia asain&#8217;ny Tenin&#8217;Andriamanitra nampitondraina mba handresy ny ratsy amin&#8217;ny soa sy ny tsara, fa samy mbola ampamoahina eo anatrehan&#8217;Andriamanitra ny isam-batan&#8217;olona. Fa ny mino kosa dia hitoetra amin&#8217;ny fanantenana lalandava fa mahalala ny momba azy ny Tompo ka haneho ny Voninahiny eo amin&#8217;izay manao soa sy mandresy ny ratsy amin&#8217;ny fanaovan-tsoa.<\/b><\/p>\n<\/div>\n<p>Fanovana farany (Alakamisy 13 Febroary 2014 12:23)<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Alakamisy 13 Febroary 2014 Des questions honn\u00eates peuvent conduire \u00e0 des r\u00e9ponses faisant grandir la foi. (NPQ) 1 PETERA 3.13-18 HO AMIN&#8217;NY SOA MANDRAKARIVA Ry havako, Amin&#8217;ny fifaliana mandrakariva no hamangiana sy hiarahabana anao sy ny ankohonanao amin&#8217;ny al\u00e0lan&#8217;ity hafatra hifampaherezantsika isan&#8217;andro ity. Ho aminareo hatrany anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanan&#8217;i Jesoa Tompo. Tsy [&hellip;]<\/p>\n","protected":false},"author":1,"featured_media":0,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[68],"tags":[69],"class_list":["post-1170","post","type-post","status-publish","format-standard","hentry","category-aim-panahy","tag-malagasy","ctfw-no-image"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1170","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/wp-json\/wp\/v2\/users\/1"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1170"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1170\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1172,"href":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1170\/revisions\/1172"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1170"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1170"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.fkmsm.ch\/labo\/wordpress\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1170"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}