Vaovao SEPTAMBRA 2007
Tatitra samihafa
Tanteraka soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana ny 2 sy 16 septambra noho ny fitahian'ny Tompo.
Misaotra an'i Toky nitarika sy nitoriteny ary an'i Pasitera Ntsoa nampandray tamin'ny 2 septambra.
Misaotra an'i STL nitarika ary an'i Pasitera Kotobesoa, nitorinteny sy nampandray ny 16 septambra.
Tsy adino koa ireo nanampy tamin'ny fitendrena orga (Liva), ny namaky teny sy ny nivavaka ary ireo
nikarakara ny goûter.
Namoy ny rainy tamin'ny 7 septambra teo i Rija, Felana, Lanja ary Avo. Miara-miory amin'ny
fianakaviana ny FKMSM manontolo ary Andriamanitra anie hanome fiononana ao am-po sy ampahery anareo
zanany amin'izao fahalasan'ny rainareo izao. I tompokolahy moa dia anisan'ny namorona ireo hira ataon'
ny chorale Valihan'ny Jehovah. Ny fandevenana dia efa vita tamin'ny alarobia 12 septambra teo.
Vita soa aman-tsara koa ny kermesy tamin'ny asabotsy 8 septambra ary isoarana ireo rehetra nandray anjara
(maro be fa tsy ho voatanisa eto daholo). Marihina fa nisy ny jeu biblique izay nandraisan'ny rehetra
anjara ka i Nathalia no nahazo ny amboara tamin'izany. Teo amin'ny lalao belote dia Toky sy Antsa
no nahazo ny "coupe". Toy izao kosa ny billet nahazo loka tamin'ny Tombola:
Ho an'ireo izay mbola tsy nahazo dia misy Baiboly + Fihirana (miampy hira fanampiny) mifono hoditra izay
amidy 30.-CHF ka mila miteny mialoha an'i Toky (tokyr@fkmsm.ch) na manoratra any amin'ny komity (comite@fkmsm.ch)
mba hahafahany mitondra izany amin'ny fotoam-bavaka manaraka
Ny fotam-pivavahana manaraka dia any Genève ao amin'ny fiangoanana Plan-les-Ouates ny alahady 7 oktobra 2007.
Misy mampiasa ny fiangonana ao Servette ny 7 oktobra.