Vaovao OKTOBRA 2007
Tatitra samihafa
Tanteraka soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana ny 7 sy 21 septambra noho ny fitahian'ny Tompo.
Misaotra an'i Olga nitarika, an'i pasitera Koto Besoa nitoriteny ary an'i Pasitera Ntsoa nampandray
t@ 7 oktobra.
Nisy indoneziana (loterana) mpiara-mianatra amin'ny pasitera Koto Besoa (centre oecuménique de Bossey)
nanatrika ny fotoana ary teo na nahitana fa misy teny malagasy maro no mitovy amin'ny fitenin-drizareo.
Misaotra koa an'i Pasitera Ntsoa izay nanantotosa hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny
fotoam-pivavahana ny alahady 21 oktobra natokana ho alahadin'ny mpitandrina. Nisy fanomezana (panier
garni) nomen'ny sampana sy ny mpiangona an'i pasitera toy ny fanao isan-taona tamin'io fotoana io.
Ny alahady 14 oktobra dia natokana ho an'i Mcar ny fotoana tao amin'ny fiangonana Sévelin: Tamin'ny
valo ora maraina dia nisy "petit dejeuner" narahana fifanankaloza-kevitra (dialogue) momba ny asa
fanampiana izay nitohizan'ny EERV any Mcar. Toerana fitaizana zaza kamboty (Topaze) ao Antananarivo
no hampiana amin'ity ezaka faharoa ity ka ny fikasana dia ny ampiditra jiro amin'ny trano. Ny tetik'asa
teo aloha moa dia ny fampianaran'asa ho an'ny tanora any Sainte-Marie mba tsy ho voasarika amin'ny
"tourisme sexuel". Isaorana manokana i Hubert izay namaky teny, nilaza momba an'i Mcar amin'ny mpiangona
izay nanatrika (maro ny kristiana sinoa tonga teo) nandray anjara tamin'ny ranom-bavaka ary nandefa ny
hira pré-enregistré (lasa tany Zurich Masoala ny mpikambana sasany tao amin'ny STL ka tsy afaka nihira)
Efa ho tapitra amin'ity faran'ny taona ity ny "mandat" ny komity ka izao dia efa manentana antsika rehetra
mba handray andraikitra amin'ny fikarakarana ity fiangonantsika ity ary hirotsaka hiditra komity.
Samy manana ny talentany isika rehetra ary izany indrindra no ilaina olona maro mba hiara-miasa fa
tsy foana tsy akory ny fikelezan'aina amin'ny asan'ny Tompo.
Ny alahady 4 novambra any Genève no ankalazana ny faha-dimy taonan'ny sampana FANASINA. Ny Fanasina koa
moa no mitarika ny fotoana amin'io miaraka amin'ny mopera Jean Varone (niasa 17 taona tany Mcar).
Ny fotoana amin'ny 18 novambra dia tsy eto Lausanne fa atao any La Bossonnaz, 1357 Lignerolle satria
manao retraite spirituelle any ny Valihan'ny Jehovah mandritry ny week-end. Noho ny trano tsy maintsy
averina alohan'ny amin'ny 5 hariva dia amin'ny roa ora tolakandro no manomkoka ny fotoam-pivavahana.
Tsara ho fantatra fa mety ho any rahateo ny hanaovana ny lasy pentekosta 2008 satria ny any Vaumarcus
efa nisy olon-kafa namandrika.
Amin'ny fivorian'ny komity manaraka (faran'ny volana novambra) no ho dinihina ny fitsijarana ny
fanampiana amin'ireo tetik'asa voaray avy any Mcar.