Vaovao DESAMBRA 2006
Tatitra samihafa
Misaotra an'Andriamanitra fa fanteraka soa aman-tsara daholo na ny concert de Noel ny 16/12 na
ny fankalazana ny Krismasy ny 25/12 izay samy natao tao amin'ny fiangonana Sévelin, Lausanne.
Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin'izany, ny antoko-mpihira Tendrom-piderana (Katolika
Annemasse), ny antoko-mpihiran'ny FPMA (Annemasse), ny Zaram-pifaliana, ny VJ sy STL (FKMSM)
ary ireo olona marobe tsy ho vaotanisa eto daholo.
Tamin'ny fanompoam-pivavahana ny 25/12 dia isaorana manokana i Mopera Liva (Fribourg) nitoriteny
ary Pasitera Arintsoa nitarika sy nampandray.
Tanteraka soa-amantsara koa ny fanamasinana ny fanambadian'i Olga (komity) sy Job izay natao tao
amin'ny fiangonana EERV Renens ny asabotsy 23/12.
Mpivady vao roa no niarahabain'ny Fiangonana ny 25/12 dia i Olga sy Job ary Elisienne sy Didier
(natao mariazy tany Dago tamin'ny oktobra 2006).
Nisy mpiara-miangona nodoam-pahoriana, i Sata sy Felana, izay namoy ny anabaviny/rahavaviny
ary novangiana teo anatrehan'ny fiangonana. Mafy tokoa ny fitsapana tsy maintsy sedrain'izy
mianadahy satria vao tsy ela izy no namoy ny reniny.
Misy fampianarana ataon'i Pasitera Nivo sy Yann ny 6 sy 7 janoary 2007 izao. Sady fandinihina ny
soratra masina izany no koa fianarana ho mpiandry. Mila mampandre mialoha ny
komity ireo izay liana mba hafatarana ny isan'ny mpandray anjara.
Ireto misy fanamarihina momba izany:
De : yann Morvant
À : arintsoa@yahoo.com
Objet : formation bergers
Bonjour!
J'espère que vous avez passé de bonnes fêtes de Noël. Pour ce qui est de la formation des bergers, elle aura donc bien lieu en commençant le samedi 6 janvier de 10h à 17h (apporter un pic-nic) et ce sera à la cure du 1er mai à Renens. Si les personnes intéressées pouvaient nous dire à l'avance pour que nous puissions faire les photocopies adéquates et pour voir la manière de travailler... ce serait sympa!
A bientôt et tous nos voeux pour l'année 2007
Nivo Morvant
De : yann Morvant
À : arintsoa@yahoo.com
Objet : RE: Re : formation des bergers
Puisque le principe est acquis, il faudrait transmettre aux personnes concernées que la formation proposée se fera en sessions intensives. La raison est que des personnes se déplacent depuis Strasbourg pour y assister et donc que nous profiterons au maximum de leur présence. Pour le premier week-end : ce sera la journée du samedi 6 janvier(de 10h à 17h) et le dimanche 7 janvier au matin ( de 9h à 12h).
Si nous pouvons avoir un peu à l'avance les noms des personnes, ce sera sympa pour une bonne mise en place. La formation aura lieu au 13 avenue du 1er mai.
Merci de transmettre l'info. Je ferai un papillon d'info.
Nivo Morvant
Ny fotam-pivavahana manaraka dia any Servette (Genève) ny alahady 7 janoary 2007
Ny fetin'ny faran'ny taona (31 déc.) anasan'ny STL antsika dia hatao ao amin'ny Salle Paroissiale-n'ny Sévelin,
74 avenue Tivoli. Ny fanampim-panazavana dia ao amin'ny flyers nozarain'ny STL.