Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina
Vaovao DESAMBRA 2002
1 ) Tapaka fa ny alahady voalohany amin'ny volana desambra dia natokana ho an'ny mpitandrina ka ny rakitra rehetra amin'io dia omena ny mpitandrina eo amperin'asa.
2) Misaotra an'Andriamanitra lalandava fa tanteraka soa aman-tsara foana ny fotaom-pivavahana ary misaotra manokana an'i Atoa Ambinintsoa RANDRIANARIJAONA izay nikarakara an'izany.
3) Ny fankalazana ny Noely dia niraisana miaraka amin'ny Advantista ao Collonges-sous-Saléve ary ny Fiangonana katolika du Genevois. Nisy ankizy natao batisa koa tamin'io 25 desambra io. Nitohy tao amin'ny Salle communale tao Ecublens ny fety, ary nanomboka tamin'ny ankizy madinika izany dia niafara tamin'ny antoko-pihira ny mpandray anjara rehetra. Satria nahafa-po ny fiarahana dia mbola ho tohizina indray amin'ny Paska.
Ny fampandrenesana momba izany fety izany dia
ho hitanao eto!
La version française de l'invitation
se trouve ici!