Vaovao Septambra 2005
1) Misaotra an'i filohan'ny FKMSM, Atoa Randrianarijaona Ambinintsoa, izay nitarika ny fotoana ary nitoriteny tamin'ny ity alahady ity, alahady izay natokana ho an'ny mpitandrina. Nifaranany tamin'ny fijoroana ho vavolombelona ny torin-teny izay mametram-panontaniana ho an'ny tsirairay: Maro ny sakana amin'ny fandraisantsika andraikitra eo anivon'ny fiangonana kanefa mila omena laharana ambany izy ireny raha te-hanaraka an'i Kristy. Misaotra koa an'i Pastora Arintsoa nampandray.
2) Androany ny alahady farany hiara-mivavaka amin'ny Atoa Randrianarijaona, izay hitodi-doha any Mcar amin'ny asabotsy 1 oktobra. Ka amin'ny anaran'ny FKMSM no nanaovan'ny filoha lefitra, Atoa Razaname Alain, tsodrano azy mba ho tafita soa-amantsara any an-tanindrazana ary koa nanomezany firarian-tsoa amin'ny fifindrany monina any Canada raha afaka telo volana.
3) Ny fotoana androany dia nifanindry amin'ny firaha-mivavaka ekiomenika izay andraisan'ny rahalahy afrikana anjara any Lausanne (Katedraly, 18h) ary karakarain'ny EERV (Eglise Evangélique Réformée du canton de Vaud). Koa amin'ny taona manaraka dia ho ampidirina ao anaty praograma io fotoana io.
4) Ny fiangonana manaraka dia any Lausanne amin'ny alahady 2 oktobra.