Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

 

Vaovao MAY 2006


 

 

Tatitra samihafa

Miarahaba ary mandray tanana an'i Tina Randriamiharisoa  tamin’ny nandraisana azy ho mpandray tao amin'ny Paroisse
de Saint-Laurent (Lausanne) ny alahady 9 avril 2006 lasa teo, sampana Gospel, rehefa nahavita ny fianarana cathecumen
nandritra ny telo taona.

Vita soa man-tsara ny fankalazana ny faha 20 taona ny MAFA( Adventista aty frantsa) izay nandraisan'ny VJ anjara tany Annecy ny 22 avril 2006. Misaotra ny VJ sy ireo solotenam-piangonana nanatrika izany.

Miarahaba an’Atoa Yann Morvant isika ny amin’ny nahavitany ny culte de consécration tany Lausanne ny alarobia 03 mai lasa teo. Isaorana ireo solontenam-piangonana tonga nanatrika izany fotoana izany.

Vita ihany koa ny Lamesa katolika niaraka tamin'ny communautés maro tao amin'ny Salle de Spectacles ao Renens, Rue de Lausanne 37 ny asabotsy 06 mai lasa teo, izay nandraisan'ny STL anjara sy nanasana antsika fiangonana. Isaorana ny STL sy ireo solontena tonga namonjy izany fotoana izany.

Tontosa ny alahady 7 may maraina ihany koa ny Culte Terre Nouvelle tao amin’ny rue du Temple 15, Bussigny izay nandraisan’ny VJ anjara. Isaorana koa ny Vj sy ireo izay tonga nanotrona azy tamin’izany.

Alahadin’ny vehivavy Fanasina ihany koa ny alahady androany 7 mai, isaorana Andriamanitra ary isaorana ihany koa isika rehetra ny amin’ny nahatontosan’ny fotoana. Misaotra ny sampana vehivavy Fanasina rehetra tamin’ny fikarakarana sy ny fanatontosana ny fotoana. Misaotra an’i Pasitera Ntsoa koa nitondrany ny vatsim-panahy ho antsika. Misaotra ny antoko Mpihira VJ sy STL nanafana ny fotoana, tsy adino i Liva ny amin’ny zava-maneno, isaorana ihany koa ny VJ nikarakara ny gouter androany. Araka ny efa nolazaina teto tamin’ny farany dia hisy fandraisana anjara ny gouter androany mba ho entina hanohanana ny ezaka fividianana Synthetiseur izay ampiasain’ny fiangonana ihany koa

Taratasy voaray

Araka ny tts avy any amin’ny Eglise du Sud ouest Lausannois dia omeny ho ampiasaintsika maimaim-poana ny Paroisse de Sévelin hankalazana ny Noely ny 25 décembre. Isaorantsika an’Andramanitra izany ary isaorana ihany koa ireo tompon’andraikitra nikarakara..

Nahazo ttsy avy any ami’i John Knox mikasika ny fihaonamben’ny communauté étrangère rehetra ny 12-13 mai 2007 ka ny fanomanana izany dia ny 14 octobre 2006.

Nahazo fangatahana fanampiana avy amin'ny ONG Tsara Manasoa avy any Mcar isika. Mbola misokatra ny fandraisana ny tetik’asa rehetra avy any Madagasikara ary ny ny fanapahan-kevitra ny amin’izany dia ny 28 octobre 2006. Koa iangaviana isika rehetra izay manana tetik’asa tonga any amintsika any mba hanome izany an’ireo komity akaiky antsika alohan’ny 28 oktobra 2006.

Nahazo taratasy koa isika ny amin’ny fankalazana ny faha folo taonan’ ny fiangonana any Canada (FPMC). Ny komity tompon’andraikitra no handray an-tanana ny famaliana izany fanasana izany

Fotoana manaraka: 13 mai - 05 juin 2006

- Fivoriana sy fianaran-kiran’ny VJ: amin'ny asabotsy 13 mai 2006
- Amin'ny alahady 14 mai 2006manomboka amin’ny 2 ora hariva ao amin’ny efitrano malalaky ny Paroisse Sevelin no anararaotan’ny vehivavy fanasina ho fihaonana hifampizarana traikefa koa manentana ny vehivavy rehetra mba samy hazoto hizara ny talenta izay nomena antsika. Hianatra sakafo isika sady ho entitsika mankalaza ny fetin’ny reny 2006 io fotoana io.
- Io alahady 16 mai io koa fa manomboka amin'ny 3 ora hariva dia hotanterahina ny vondrombavaka izay karakarain’ny vaomieran’ny vavaka isaky ny alahady faharoa amin’ny volana, fotoana raikitra ao amin’ny fandaharampiangonantsika.
- Fivoriana sy fianaran-kiran’ny sampana STL: alahady 14 mai 2006 aorianan’ny vondrombavaka

- Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra. Koa manasa ny rehetra mba samy ho tonga hanotrona sy hitondra ambavaka ny fitsofandrano ny zanantsika<> ny:

Mikarakara colonie de vacance na lasy telo andro ny fiangonana manomboka ny asabotsy 03 jona ka hatramin’ny alatsinainy (pantekoty) 05 jona 2006 ho avy izao ao amin‘ny La Colonie Sur-le-Vau, 2105 Travers (NE) . Koa asaina amin’izany isika rehetra tsy ankanavaka mba samy ho tonga. Tsy misy araka izany ny fiangonantsika mahazatra isak'alahady fa any an-toerana no miangona. Jereo ato ny fanazavana fanampiny.