Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter Janoary 2005 Febroary 2005 Marsa 2005 Aprily 2005 May 2005 Jiona 2005 Jolay 2005 Aogaositra 2005 Septambra 2005 Oktobra 2005

 

Vaovao Aogaositra 2005

 

1) Misaotra an'i Fabio Edafe nikarakara sy nitarika ny fanompoam-pivavahana tany Lausanne. Misaotra koa an'i ramatoa Mbola nitoriteny, ny lohan-teny tamin'ny izany dia ny lehilahy, ny tanjany sy ny fahalemeny. Tsy adino koa i Pastora Arintsoa nampandray.

2) Misy olona vitsivitsy noraisin-tanana sy nomena tsodrano:
- I Ravaka sy Fabio Edafe izay nahatanteraka soa-amantsara ny fanamasinana ny fanambadiany tany Madagascar.
- I Ndroso izay nanantanteraka ny batisan'ny zanany, tsy teto amin'ny FKMSM fa tany amin'ny fiangonana vazaha.
- I Tahiana sy Lanja Rasolondraibe izay nahazo zaza-lahy sady hiverina hody any Madagasikara.
Dia ny Tompo anie homba anareo mandrakariva amin'ny adidy miandry anareo ary Izy anie no hitantana ny tokantrananoreo ho feno fitiavana sy fifaliana lalandava.

3) Ny fiangonana manaraka dia any Genève amin'ny alahady 4 septambra.