Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter Janoary 2004 Febroary 2004 Marsa 2004 Aprily 2004 Mai 2004 Jiona 2004 Jolay 2004 Aogositra 2004 Septambra 2004 Oktobra 2004 Novambra 2004 Desambra 2004

 

Vaovao Aogositra 2004

1) Misaotra an'Andriamanitra fa tanteraka soa-aman-tsara ny fanompoam-pivavahana tany Genève tamin'ny alahady voalohan'ny volana aogositra teo. Misaotra an'i Fabio Edafe nanatotonsa ny fotoam-pivavahana. Isaorana koa ny Pasitora Noël Rabemanantsoa nitoriteny sy nanome ny sakafo-panahy.

2) Ny fiangonana FKMSM dia mikasa ny hanao ny Jobily faha-40 taona nitandreman'ny Pastora Noël Rabemanantsoa @ alahady 5 septambra 2004 any @ fiangonana Servette any Genève @ ora mahazatra (3 ora). Marihina fa misy boky nosoratan'i Pasitora Noël Rabamanantsoa mitantara asa fanompoana nataony nandritra izay 40 taona izay. Io boky io dia amidy @ vidiny tena mirary CHF15.- (na 10 Euros). Ireo izay liana te hamaky io boky io dia afaka manoratra any @ komitin'ny fiangonana. Marihina fa ny vola ho azo @ io famarotana boky io ny hatokana hatao bourse d'etude ho an'ny mpiofana ho Pasitera any Ambatofinandrahana.

3) Ny Sekoly Alahady avy any @ Fiangonana F.L.M. Paris dia ho avy hamangy antsika aty. Rindran-kira amam-pilazantsara no hataon'izy ireo @ Asabotsy 28 aogositra 2004 amin'ny 7 ora hariva.

4) Ny Pasitora Arintsoa Z. dia manasa antsika hanatrika ny batisan'ny zanany any @ fiangonana Plan-les-Ouates any Genève @ Alahady 29 Aogositra 2004.

5) Fampatsiahivina: Ny fotoana manaraka dia any Genève, ny Alahady 5 Septembra 2004 @ 3 ora tolakandro.