Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina
Vaovao AOGOSITRA 2002
1) Nahafaly fa mpitandrina roa izay mandalo eto Soisy no nitarika ny nampandray tamin'ity volana ity: Tsy iza moa izany fa i Pasteur Djacoba Emmanuel avy any Canada ary i Pasteur RABEMANANTSOA Noël avy any Madagascar izay anisan'ny namorona ny FKMSM, 17 taona lasa izay.
2) Andro lehibe koa ity alahady 4 aogaositra ity amin'ny fiainam-piangonana satria raiamandreny telo no nanolotra ny zanany mba hatao batisa. Izao aby ny anaran'ireo ankizy: Tahiry zanak'i Pasteur Arintsoa Zafindriaka sy Marie, Andry zanak'i Liva sy Mamimahafehy ary Tsiory sy Aina zanak'i Ranaivosoa Liva sy Razanamavo Vatosoa.
3) Ny fotoam-pivavahan'ny FKMSM manaraka dia amin'ny alahady 1 septambra amin'ny 14h45 any Lausanne (Paroisse d'Ecublens) ary manasa antsika rehetra amin'izany. Ho an'ireo raiamandreny manan-janaka, ny sekoly alahady dia manomboka amin'ny 14h.