Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter Janoary 2005 Febroary 2005 Marsa 2005 Aprily 2005 May 2005 Jiona 2005 Jolay 2005 Aogaositra 2005 Septambra 2005 Oktobra 2005

 

Vaovao Jolay 2005

 

0) Tanteraka soa aman-tsara ny fanompoan-pivavahana tao Meyrin tamin'ny 26 jona, izay natrehan'ny Son Excellence Rambeloson Alfred mivady, Ambassadeur ao amin'ny Mission permanente ao Genève ary ny mpanolo-tsaina voalohany, Atoa Jean-Michel Rasolonjatovo mivady. Ny pasiteran'ny FJKM-Suisse (avy any Strasbourg) no nitarika ny fotoana ary pretra avy any Fribourg no nitoriteny.

1) Misaotra an'i Alain Razaname nikarakara sy nitarika ny fanompoam-pivavahana tany Genève. Misaotra koa an'i Pastora Arintsoa nitoriteny sy nampandray.

2) Nasaina nitsangana izay olona vita batisa na natokana ho mpandray tao amin'ny FKMSM tao anatin'izay 20 taona lasa izay ka nisy olona 9 no tonga teo na dia vitsivitsy aza ny mpiangona noho ny fotoana fialan-tsasatra. Tsara ho marihina fa maro tamin'ireo vita batisa na katekomena no efa nody any an-tanindrazana na nifindra-monina.

3) I Haingo sy Andry dia natao veloma sy nomena tsodrano satria hifindra monina any Londres amin'ny tapan'ny volana jolay. I Haingo moa dia mpikambana ao amin'ny komitin'ny FKMS (SG) no sady komity ao amin'ny Valihan'i Jehovah. Dia mirary soa ho azy mivady ny FKMSM amin'ny fiainana vaovao izay miandry azy, indrindra amin'izao fotoana feno korontana (attentat) izao.