Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina
Vaovao JOLAY 2002
1 ) Misaotra an'i Rtoa Hary Saint-Ghislain, nanaiky nikarakara ny fotoam-pivavahana
tamin'ny volana Jolay
no sady nitarika rahateo, na dia efa nametra-pialana tamin'ny komity azy izy. Misaotra koa an'i
Pasteure Dominique Gounelle
izay mpitandrina ao @ ny fiangonana Ecublens, nanome ny sakafo-panahy ary nampandray.
2) Manomboka izao dia misy indray ny fampianarana sekoly alahady izay niato kely teo
aloha. Amin'ny manaraka
dia manomboka amin'ny roa ora tolakandro ny fianarana sekoly alahady.