Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter Janoary 2005 Febroary 2005 Marsa 2005 Aprily 2005 May 2005 Jiona 2005 Jolay 2005 Aogaositra 2005 Septambra 2005 Oktobra 2005

 

Vaovao Jona 2005

 

1) Misaotra an'Andriamanitra fa tanteraka soa-aman-tsara ny fanompoam-pivavahana tany Lausanne tamin'ny alahady 5 jona teo. Misaotra an'i Atoa Ambintsoa Randrianarijaona nitarika ny fotoam-pivavahana. Isaorana koa ireo olona telo nanao fijoroana ho vavolombelona, izay nisolo ny toriteny, dia i Tahiana Rasolondraibe, i Mamisoa Raholimboahangy ary Alex Randriamiharisoa.

2) Ny fankalazana ny Asaramanitra 26 jona 2005 dia hatao any Genève ny 25 jona namomboka amin'ny 6 ora hariva. Ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay karakarain'ny adventiste (Frantsa), ny FJKM (Soisy), ny FKMSM (soisy) ary ny katolika (Frantsa) dia atao ao amin'ny Centre paroissial de Meyrin ny alahady 26 jona manomboka amin'ny 3 ora tolakandro.

3) Mangataka antsika mba hitondra ambavaka ny fanamasinana ny fanambadian'i Ravaka sy Fabio Edafe   izay hatao any an-tanindrazana raha afaka iray volana.

4) Fampatsiahivina: Ny fotoana manaraka eto @ fiangonana FKMSM dia any Genève, ny 03 jolay 2005 @ 3 ora tolakandro.