Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

 

Vaovao Jona 2004

 

1) Misaotra an'Andriamanitra fa tanteraka soa-aman-tsara ny fanompoam-pivavahana tany Genève tamin'ny alahady 6 jona teo. Misaotra an'i Alain Razaname nanatotonsa ny fotoam-pivavahana. Isaorana koa ny Pasitora Arintsoa nitoriteny sy nanome ny sakafo-panahy. Marihana etoana fa nahaliana tokoa ny fampianarana famankafakana ny Baiboly izay natolotr'i Claude Robel. Isaorana azy manokana ny fandavantena nataony hizarany izany fanampiana ho antsika Kristiana izany, ary mbola manantena ny fiaraha-miasa @ fotoana manaraka.
Ho an'izay tsy afaka nanatrika dia tsindrio eto hijerena ilay document PowerPoint. Raha tsy manana an'io praograma io ianao dia tsindrio eto (PDF).

2) Mahatsiaro ny reny rehetra isika @ ity Alahady 6 jona 2004 ity ary mitondra ambavaka azy ireo.

3) Ny fankalazana ny Asaramanitra 26 jona 2004 dia hatao any La Sarraz (Plan : Depuis Genève, direction Lausanne, puis Yverdon et prendre la 2ème sortie La Sarraz.). Fiangonana eokomenika no hatao ka manomboka @ 3 ora tsy diso ny fotoam-pivavahana. Ny rakitra dia hatokana ho fanampiana ny tra-boina t@ rivodoza Gafilo.

4) Fampatsiahivina: Ny fotoana manaraka eto @ fiangonana FKMSM dia any Lausanne, ny 04 jolay 2004 @ 3 ora tolakandro.

5) Mangataka antsika ny fianakaviana Salomon  mba hitondra ambavaka azy noho ny hanaovana batemy an'i Fitia any an-tanindrazana.

6) Nahazo fanasana koa isika @ mariazy hataon'ny Raharimbola Razanadrakoto @ 12 Jona 2004 ho avy izao any M/car.

7) Misy gala evangélique omanin'ny fiangonana katolika ao Annemasse. Ho hitanao etoana ny renseignement momba izany.