Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

 

Vaovao AOGOSITRA 2006


 

 

Tatitra samihafa

Tanteraka soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana ny 6 aogositra noho ny fitahian'ny Tompo. Misaotra an'i Mamy nitarika, an'i Ravaka nitoriteny, an'i Pasitera Ntsoa nampandray, an'i Liva nitendry orga, an'i Marie sy Carole nikarakara ny sekoly alahady ary antsika rehetra izay nandray anjara tamin'ny hira (VJ, ny sekoly alahady, ny vehivavy ary ny lehilahy ).

Ny vondrom-bavaka fanao isam-bolana dia hatao ao Sevelin (Lausanne) amin'ny 13 aogositra manomboka amin'ny 03 ora tolakandro.

Namoy ny vadiny any Madagasikara ny namantsika "Tine" ao amin'ny valihan'i Jehovah, ny famangiana azy dia ho tanterahina amin'ny fotoana maha-mety azy.

Hisy ny fitsidihana ny toeram-pilasiana ny pentecôte 2007 any Vaumarcus (Neuchâtel) ny 19-20 août izao. Manentana izay afaka ho amin'izany mba ho tonga maro.

Ny valihan'i Jehovah dia nanolotra fihirana katolika "Hasina" miisa 4 ho an'ny fiangonana izay isaorana azy ireo.

Iangaviana ireo izay nitondra ny fihirana FFPM na Miara Mizoatra any an-tranony mba hamerina izany. Raha misy olona maniry ny hahazo fihirana na baiboly dia afaka misoratr'anarana @ ny mpikambana ao amin' ny komity izy mba hanafarana izany any Mcar. Ny vidiny dia atao mora (Baiboly ~10 CHF ary ny Fihirana 5.- CHF)

Nahazo taratasy fisaorana avy amin'ny fiangonana Servette tamin'ny fandraisana anjara natao azy ireo nandritra ny batisa izay notanterahina tao.

Naharay fanasana amin'ny Fiaraha-miaritory am-bavaka " Nuit de la prière" avy amin'i "centre international reformé John Knox" isika, miaraka amin'ny communauté protestante ao Genève, ny 19 mai 2007 à 18h ka hatramin'ny 19 mai à 8h, ary ny fiaraha-mivavaka ny 20 mai. Ny fanomanana izany dia ny Sabotsy 14 septembre izao, amin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 3 ora sy sasany

Ny fotam-pivavahana manaraka dia any Ecublens (Lausanne) ny alahady 3 septambra 2006

Efa afaka fandriantsika sahady ny datin'ny asabotsy 28 oktobra ho an'ny kerimesin'ny FKMSM izay atao ao @ salle de paroisse de Vernier (GE) toy ny tamin'ny herin-taona.


" Antsoy aho dia hovaliako hianao, ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao" Jeremia 33/3