Vaovao NOVAMBRA 2006
Tatitra samihafa
Maro dia maro ny adidy nototosain'ny mpikambana sy sampana tao amin'ny FKMSM nandritry iny
volana oktobra iny: Izao aby izany:
Tanteraka soa aman-tsara daholo izy ireny ary hisoarana ny Avo ary hisaorana
koa ireo rehetra izay nandray anjara. Tsy ho voatanisa eto daholo fa hisaorana manokana ny sponsors
tamin'ny kermesy (Atoa Razafimanjaka Emile, Famille Ramaniraka Nirina, Olisoa SA, Eliana SA, Komity FKMSM),
ny nikarakara sakafo (Fanasina), ny nitatitra olona, sy ny sisa ...
Tanteraka toy izany koa ny fotoam-pivavahana ny 5 novambra izay nokarakarin'ny STL
ary hisaorana azy ireo. Hisaorana koa ny pretra Luc-Olivier Razafitsimialona avy any Fribourg izay
nampandray tamin'ny fomba katolika. Izy koa moa no efa nampandray tamin'ny fiangonana farany tany Genève
ny 1er oktobra.
Nandritry ny fialana hetaheta no nandraisan-tanana an'i Michèle sy Tsetse izay tera-bao.
Ny pretra no nanome ny fitsofandrano (bénédiction) an'i Mathias sy ny raiamandreniny.
Ny vondrom-bavaka fanao isam-bolana dia hatao ao Sevelin (Lausanne) amin'ny 12 novambra manomboka amin'ny
03 ora tolakandro aorianan'ny fivorian'ny sampana Fanasina izay hatao ao Sévelin ihany koa fa amin'ny 2 ora
tolakandro.
Le culte d'installation du ministre Jeunesse de notre région, Yann Morvant, sera célébré