Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter JANOARY 2002 FEBROARY 2002 MARSA 2002 APRILY 2002 MAY 2002 JONA 2002 JOLAY 2002 AOGOSITRA 2002 SEPTAMBRA 2002 OKTOBRA 2002 NOVAMBRA 2002 DESAMBRA 2002

 

Vaovao MAY 2002

 

1 ) Endrika afa-kely indray no nanatanterahana ny fanompoam-pivavahana tany Genève tamin'ny alahady 05 may teo. Misy mpikambana ao amin'ny Valihan'i Jehovah miventy ny hira rehetra miaraka amin'ny fanamafisam-peo ary kanto dia kanto tokoa ny feo mivaoka amin'izany. Mbola nizara tamin'ny mpiangona ny zavatra azony tamin'ny retraite spirituelle koa ny mpikambana efatra tao amin'ny VJ tamin'io fotoana io.

2) FANAMBARANA FIALANA AMIN’NY KOMITIN’NY FKMSM

Izahay,
Ramatoa isany:

  1. RASOLONJATOVO Voahirana

  2. ST-GHISLAIN Hary

  3. PODWIKA-RAFARALAHISOA Herisoa

sy Andriamatoa isany:

  1. RANDRETSANILO Herijao

  2. RAZAKASOA Hery

  3. ST-GHISLAIN Michel

dia nanapa-kevitra hiala amin’ny andraikitra maha-komity anay ato amin’ ny FKMSM manomboka ny 28 avrily 2002 nohon’ny tsy fitovian-kevitra sy fomba fijery amin’izay tokony ho toeran’ny fiangonana eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny tsy fahafahana miara-miasa amin’ny lafiny maro ao amin’ny komity.

Tsy mandà velively ny ady hevitra izahay, ary lalàn-javatra izany rehefa misy ny andian’olona miara-miasa. Saingy ny fotoana izay tokony hampandrososna ny asa sady mahasoa no mahafinaritra, dia lany amin’ny ady hevitra be sady mandany fotoana no mandany hery fotsiny.

Mety hisy ny fanontaniana hoe: nahoana no dia mizarazara kanefa vitsy? Efa be ihany ny zavatra nohezahina natao mba itambarana saingy indrisy fa tsy nahomby izany.

Tsy tezitra akory izahay manoloana izao toe-javatra izao fa malahelo. Ka aleonay miala ho fifanajana mba hitohizan’ny fifandraisana. Koa mampandre anareo izahay fa eo ampanorenana fiangonana amin’ izao fotoana izao.

AOKA NY OLONA REHETRA SAMY HANAO ARAKA IZAY INIAN’NYFONY AVY, TSY AMIN’NY ALAHELO, NA AMIN’NY FANERITERENA; FA NY MPANOME (fotoana, fahalalàna, vola, fananana, sns) AMIN’NY FIFALIANA NO TIAN’ANDRIAMANITRA (2Kor 9,7).

Date: 28 aprily 2002

3) CHÂTEAU D’OEX Place du Village Samedi 11 et Dimanche 12 Mai 2002

Bienvenue sur notre Marché / Contacts- échanges- soutien / EN FAVEUR DE MADAGASCAR Artisanat : nombreux objets d’origine malgache. Conteuse : avec livres et animaux en tissus faits à Madagascar. Couturière : nombreux articles confectionnés (jusqu’à 6 ans). Cuisine préparée par une Dame malgache. Dégustation sur place ou à emporter.(congélation possible). Artisan du bois : vente aux enchères d’une très belle « pièce unique », samedi et dimanche dès 15h. Par votre visite, merci de soutenir l'Association de la Maison d’accueil : « Chez Grand- Maman » à Madagascar Case Postale, 1660 Château-d’Oex CCP : 17-506266-4 Renseignements : Ch. Haldi tél. 026 924 69 73 Nat. 079 542 61 25.

4) Ny fiangonana advantista dia manasa antsika hiara-mivavaka amin'ny teny malagasy ny asabotsy isaky ny fahatelon'ny volana (18 may ny manaraka) ao Collonges sous Salève (Frantsa).

5) Ny fotoam-pivavahan'ny FKMSM manaraka dia amin'ny alahady 19 may amin'ny 14h45 any Lausanne (Paroisse d'Ecublens) ary manasa antsika rehetra amin'izany: Hisy fanaovana batisa amin'io andro io.

6) Ny alatsinain'ny pentekaoty (20 may) raha tsara ny andro, dia hisy fitsangantsanganana atao eny amin'ny Signal de Bougy.
Ny fianakaviana tsirairay dia samy hitondra ny sakafo sahaza azy, ny fiangonana kosa no hiantoka ny rano hosotroina. Ny
toerana dia eo akaikin'ny fanaovana teatra, misy fanaovana kitonotono. MBA ILAZAO NY NAMANA tsy tratra antso
fa tsy hisy ny taratasy fampandrenesana.

7) Raha misy zavatra tianao ho ampina mikasika ny vaovao dia manorata mivantana aty amiko (A.R.)

============================================================================

VAOVAO tamin'ny 19 may 2002

Vaovao telo lehibe no nampiavaka ity fotoam-pivavahana tamin'ny Pentekosta ity, izay notarihin'i Pastora Arintsoa Zafindriaka:

1) Ny fanaovana batisa an'i Andriaharifara Nicole Joelle

2) Ny fanambarana fa i Pastora Arintsoa dia nanaiky ny hiara miasa bebe kokoa amin'ny FKMSM ary noho izany dia foana hatreo koa ny fikarohana raiamandreny ara-panahy miaraka amin'ny EERV. Nisy fandraisan-tanana manokana an'i Pastora Arintsoa teo ambaravarana tamin'ny firavana.

3) Ny fampisehona ny birao vaovao :
    - Filoha: Rtoa Lala Randriamiharisoa
    - Filoha lefitra: Atoa Liva T.
    - Mpitan-tsorata jeneraly (SG) : Atoa Manitra Andriaharifara
    - Mpitam-bola: Atoa Alex Randriamiharisoa
    - Mpandrindra ny antoko mpihira: Atoa Toky Rabemanantsoa.

Ny alatsinainy 20 may dia teny amin'ny Signal de Bougy no niala voly ny rehetra ary sady nahafinaritra ny fiarahana no tsara be koa ny andro.

Dia mirary ny firaisantsika amin'ny Fanahy Masina ka samy ho tahian'Andriamanitra na eo amin'ny fahasalamana na ny asa na ny fianarana na eo amin'ny tokatrano. Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra, hatramin'ny taloha ka ho mandrakizay.