Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter Janoary 2007 Febroary 2007 Marsa 2007 Aprily 2007 May 2007 Jiona 2007 Jolay 2007 Aogaositra 2007 Septambra 2007 Oktobra 2007

 

Vaovao MARSA 2007


 

(1) Misaotra an'i antoko mpihira VJ tamin' ny fitarihana ny fotoam-pivavahana ny 4 marsa 2007. Hisaorana manokana Atoa Amdriambololona nanome ny sakafo-panahy ary ny pasitora Ntsoa nampandray.

(2) Misy fiofanana mpiandry izay hatao ny 10-11 mars ho avy izao manomboka amin'ny 10 ora ny asabotsy mifarana amin'ny 5 ora hariva dia miverina indray ny alahady amin'ny 9 ora sy sasany ary mifarana amin'ny 12 ora atoandro. Samy mitondra ny pic-nic ny asabotsy atoandro. Ao amin'i Yann sy Nivo Morvant, 13 av. du 1er mai no hanaovana ny fotoana. Dia tsara ny mampandre mialoha ao amin'ny tel : 021.634.68.08 mba hafatarana ny isan'ireo olona ho tonga.

(3) Manomboka amin'ny volana marsa dia indroa isam-bolana ny fotoam-pivavahan'ny FKMSM ka ny alahady voalohan'ny volana dia any Geneve (Servette) ary ny alahady fahatelo dia any Lausanne (Ecublens, 18 marsa 2007) .
Mampandre ny sampana STL fa ny goûter amin'io 18 marsa io dia amidy mba hanaovana vatsy hividianana tenue.

(4) Mampatsiahy ny komity mpikarakara ny lasy any Vaumarcus fa ny 80 misoratra anarana voalohany no sady mandoha vola (40.- FrS ny lehibe >= 16 taona ary 30.- ny latsakn ny 16 taona) no ho raisina. Misy hotely eny amin'ny manodidina ho an'izay tsy mankafia ny dortoir na tara fisoratana anarana.

(5) Niova ny birao ny antoko mpihira STL ka i Hubert ihany no filoha , Ndroso ny mpitam-bola, Jabbar ny mpitan-tsorata ary Nono no chef de choeur.

(6)Hisy ny vondrom-bavaka toy ny mahazatra ao Sévelin ny alahady 11 marsa amin'ny 3 ora. Misy fivoarian'ny fanasina koa amin'io andro io ao Sévelin fa manomboka amin'ny 2 ora tolakandro.