Vaovao FEBROARY 2007
(-) Misoatra ny sampana Fanasina ary misaotra manokana an'i Mbola tamin'ny fikarakana ny fotoana tamin'ny alahady 7 janoary tany Genève na dia avy any Berne ary izy no miainga.
(1) Misaotra an'i antoko mpihira STL ary misaotra an'i Sata tamin' ny fitarihana ny fotoam-pivavahana ny 4 febroary 2007. Hisaorana manokana ny dadan'i Honitra nanome ny sakafo-panahy ary ny pasitora Ntsoa nampandray. Mbola nanome tsihy (natte) ho mariky ny fankasitrahana ny fanampiana nataon'ny FKMSM (projet 2006) tany amin'ny fiangonana FLM ao Tatamalaza ny dadan'i Honitra.
(2) Ny vola natao fanampiana any Vohitranala (Marolambo) dia ho averina amin'ny FKMSM satria nahazo tatitra avy any an-toerana fa tsy may araky ny voalaza ny fiangonana na dia may aza ny tanana rehetra. Tapaka ary fa haverina hodinihin'ny commission projet ny amin'izay tokony atao momba io vola io.
(3) Manomboka amin'ny volana marsa dia indroa isam-bolana ny fotoam-pivavahan'ny FKMSM ka ny alahady voalohan'ny volana dia any Geneve (Servette) ary ny alahady fahatelo dia any Lausanne (Ecublens) .
(4) Mampatsiahy ny komity mpikarakara ny lasy any Vaumarcus fa ny 80 misoratra anarana voalohany no sady mandoha vola (40.- FrS ny lehibe >= 16 taona ary 30.- ny latsakn ny 16 taona) no ho raisina. Misy hotely eny amin'ny manodidina ho an'izay tsy mankafia ny dortoir na tara fisoratana anarana.
(5) Niova ny birao ny antoko mpihira VJ ka i Mamy no filoha, Ravaka no filoha lefitra, Nadia ny mpitam-bola, Jemima ny mpitan-tsorata ary Liva no chef de choeur.
(6)Tapaka fa hisy vaomiera hatsangana handinika ny fanaovana agenda izay hisy ny daty rehetra tsara ho tadidin'ny fiangonana mandritra ny taona. Mangataka izay manana talenta manonkana momba izany ka i Toky no hitarika azy, ao anatin'izany koa ny komity
(7)Hisy ny vondrom-bavaka toy ny mahazatra ao Sévelin ny alahady 11 fevrier amin'ny 3 ora: misy raiamandreny telo no sady mpiandry koa, hamone fampaherezana mandritry io fotoana io. Misy fivoarian'ny fanasina koa amin'io andro io ao Sévelin fa manomboka amin'ny 2 ora tolakandro.
(8)Namoy ny reniny tamin'ny 6 janoary teo i Hary Saint-Ghislain sy Hasina Folletête ka ho vangiana ao am-piangonana raha tonga.
(9)Raha misy manana fangatahana vavaka na fampaherezana ka tsy te hitonona anarana dia afaka manoratra izany amin'ny taratasy ary mandrotsaka izany ao anatin'ny vata fitatazana rakitra.