Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter Janoary 2007 Febroary 2007 Marsa 2007 Aprily 2007 May 2007 Jiona 2007 Jolay 2007 Aogaositra 2007 Septambra 2007 Oktobra 2007

 

Vaovao APRILY 2007


 

(1) Misaotra an'i Olga tamin' ny fitarihana ny fotoam-pivavahana ny 1 aprily 2007. Hisaorana koa i Pasitera Ntsoa nanome ny sakafo-panahy ary nampandray. Ny fotoana manaraka dia ny 08 avril (Paska) ao åmin'ny fiangonana Ecublens

(2) Alakamisy masina 05 avril: fiaraha-mivavaka iarahana amin'ny antoko mpihira zarampifaliana ao amin'ny Paroisse de Sévelin manomboka amin'ny 19h30, hisy fandraisana amin'io.

(3) Ny 06 avril sy 04 mai ho an'izay afaka, misy fiaraha-mivavaka John Knoxx ao amin'ny temple de la Fusterie manomboka amin'ny 18h30-19h30 ho fanomanana ny fiaraha-mivavaka ny zoma 18 mai manomboka amin'ny 18h ka miafara ny asabotsy 19 mai amin'ny 7 ora maraina. Ny alahady 20 mai amin'ny 10 ora maraina dia misy fotoampivavahana miaraka amin'ny mpiangona ao Servette, ny FKMSM, ny Vietnamien ary ny Tower of Church. Rehefa avy eo dia lasa milahatra ary mandeha mivavaka any amin'ny centre Genève.

(4) Repas spectacle karakarain'ny "Aina" ao amin'ny sale de paroisse de Jussy ny zoma sy sabotsy 20 sy 21 avril izao ny sakafo manomboka amin'ny 19h ary ny spectacle amin'ny 20h30

(5) Misy Thé concert karakarain'ny VJ (ho fanohanana ny projet faha-folo taonany any Mcar) ny alahady 29 avril izao ao amin'ny Salle de paroisse Sevelin manomboka @ 16h.

(6) Mampatsiahy ny komity mpikarakara ny lasy any Vaumarcus fa ny 80 misoratra anarana voalohany no sady mandoha vola (40.- FrS ny lehibe >= 16 taona ary 30.- ny latsakn ny 16 taona) no ho raisina. Misy hotely eny amin'ny manodidina ho an'izay tsy mankafia ny dortoir na tara fisoratana anarana.

(7)Ny 16-23 juin: herinandron'I Madagasikara izay atao amin'ny toerana samihafa: Zurich, Berne, Genève, Morges isian'ny concert, spécialités malgache,.. ary hofaranana ny asabotsy 23juin ao amin'ny Salle Plainpalais (Genève) soirée iarahana amin'ny Eric Manana, Antoko mpihira maro eto an-toerana, demonstration arts martiaux,... Maimaim-poana ny fidirana.