Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter Janoary 2004 Febroary 2004 Marsa 2004 Aprily 2004 Mai 2004 Jiona 2004 Jolay 2004 Aogositra 2004 Septambra 2004 Oktobra 2004 Novambra 2004 Desambra 2004

 

Vaovao Aprily 2004

1) Fisokafan'ny fankalazana ny jaobily faha-10 taonan'ny antoko-pihira VJ ny alahady 2 aprily. Nisy fampatsiahivana ny zava-bita nandritry izay folo taona izay tamin'io andro io ary tsy ho voatanisa eto daholo izany. Ny tsara ho fantatra dia i Manitra Andriaharifara no namorina ny fikambanana tamin'ny taona 1994. Ny torin-teny dia natao fanaovana "témoignage". Mpikambana dimy tao amin'ny Valihan'i Jehovah no nifanesy tamin'izany ka sady nahaliana no nampietsi-po. Pastora Arintsoa no namarana ny fotoana tamin'ny fandraisana. Tamin'ny fisotro-dite, ankaotran'ny tsakitsaky malagasy maro be dia mbola nisy mofomamy koa izay niarahana nitsoka ny labozia folo teo amboniny.

2) Paska: Ny zoma 9 tao Ecublens ary alahady 11 tany Servette samy tamin'ny 10 ora maraina, dia niara-niangona tamin'ny tompo-piangonana ny FKMSM ary mahafinaritra ny fiarahana na dia tsy betsaka aza no afaka nanatrika satria nisy ny nandeha namonjy ny RNS tany Vichy/Frantsa. Ny alahady tamin'ny 3 ora tolakandro dia mbola nisy ny fotoam-pivavahana fankalazana ny Paska tamin'ny teny gasy toy ny mahazatra.

3) Nitohy ny alahady 25 ny fankalazana ny faha-10 taona ary fiaraha-misakafo sy fampisehona hira vakodrazana sy diha no noman'ny VJ tamin'izany. Ny isan'ny olona tonga dia tany amin'ny 220 tany kanefa ny 170 tamin'ireo fotsiny no nisoratra anarana mialoha. Ka mbola mamerina ny fialan-tsiny raha somary voatery niandry ny vary sy laoka ho masaka ny sasany. Ny fampisehona dia tonga lafatra toy ny mahazatra ary manan-taleta marina ireto VJ ireto.

4) Ny fotoana manaraka dia any Ecublens, Lausanne, ny 02 may 2004 @ 3 ora tolakandro.