Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

 

Vaovao SEPTAMBRA 2006


 

 

Tatitra samihafa

Tanteraka soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana ny 3 septambra noho ny fitahian'ny Tompo. Misaotra an'i Fabio nitarika, an'i Pasitera Nivo nitoriteny sy nampandray, an'i Liva nitendry orga, an'i Felana sy ny antonkopihira VJ ary STL izay nandray anjara tamin'ny hira, an'i Olga nanao ny filazam-baovao ary ireo namaky teny sy nanao ny ranon-bavaka.

Natokana ho an'ny mpitandrina ny alahadin'ny volana septambra ary tamin'ity dia nisy fanomezana natolotry ny fiangonana ho an'pasitera Arintsoa Zafindriaka sy pasitera Morvant Nivo.

Ny fametrahana an'i Pastora Nivo Morvant ao amin'ny Temple de Renens dia atao ny alahady 10 septambra amin'ny 10 ora maraina ary mangataka ny fiangonana izy mba handray anjara amin'ny hira telo (mila mitondra fihirana FFPM)

Ny vondrom-bavaka fanao isam-bolana dia hatao ao Sevelin (Lausanne) amin'ny 10 septambra manomboka amin'ny 03 ora tolakandro ao aorian'ny fivorian'ny sampana vehivavy amin'ny 2 ora.

Namoy ny reniny any Madagasikara ny namantsika Sata sy Felana ao amin'ny STL; ny famangiana azy dia ho tanterahina mandritrin'ny vondrom-bavaka.

Tanteraka soa-aman-tsara ny fitsidihana ny toeram-pilasiana ny pentecôte 2007 any Vaumarcus (Neuchâtel) ary efa azo atao sahady ny misoratra anarana (jereo www.fkmsm.ch).

Efa nozaraina tamin'ny alahady teo ny Baiboly sy Fihirana ho an'izay nisoratra anarana (Baiboly ~10 CHF ary Fihirana FFPM 5.- CHF)

Ny fotam-pivavahana manaraka dia any Servette (Genève) ny alahady 1 oktobra 2006

Efa afaka mividy billet Tombola (5.-CHF) amin'ny kermesy FKMSM izay atao ny asabotsy 28 oktobra ao @ salle de paroisse de Vernier (GE) izay maniry izany. Ny loka voalohany dia ordinateur portable.