Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter JANOARY 2002 FEBROARY 2002 MARSA 2002 APRILY 2002 MAY 2002 JONA 2002 JOLAY 2002 AOGOSITRA 2002 SEPTAMBRA 2002 OKTOBRA 2002 NOVAMBRA 2002 DESAMBRA 2002

 

Vaovao MARSA 2002

 

FANAMBARANA

“Manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao any Madagasikara, ny FKMSM dia:

  1.  Tsy miandàny na amin’iza na amin’iza,

  2. Mitaona ny tompon’andraikitra tsirairay avy ho amin’ny fifanakalozan-kevitra (dialogue) sy ny fifampiraharahana (négociation) mba hivoahan’ny firenena amin’izao zava-misy ankehitriny izao,

  3. Manohana sy manentana ny rehetra hiara-mivavaka,

  4. Vonona handray anjara amin’izay mety ho fanampiana ara-tsoasialy ny vahoaka Malagasy araky ny fepetra mifehy ny Fiangonana.”

 

1) Misaotra  an'ny fianakaviana Rakotolehibe Mamy sy Seheno noho ny nitarian'ny fotoana sy nizaran'ny sakafo-panahy tamin'ny alahady 3 marsa. Misaotra koa an'i Mme Porchet Jocelyne izay nanao ny ranom-bavaka niaraka tamin'i Seheno, ranom-bavaka izay natokana ho an'ny tanindrazana eo anatrehan'izao olana miatra amin'ny firenena malagasy izao. Tsy hadino koa i Abbé Amédée Nendaz izay nanome ny komonio.

2) Noho ny antony tsy miankina amin'ny tompon'andraikitra dia miova toy izao indray ny adiresin'ny takelaka FKMSM : http://membres.lycos.fr/fkmsm/index.html
Azafady indrindra mba hitsio arak'io ny adiresinao ( Bookmark na Favori). Ialan-tsiny koa raha misy tsy mandeha araky ny tokony ho izy ny rohy sasany ao amin'ny pejy fandraisam-bahiny noho izany fanovana izany.

3) Ny fiangonana advantista dia manasa antsika hiara-mivavaka amin'ny teny malagasy ny asabotsy isaky ny fahatelon'ny volana (21 marsa ny manaraka) ao Collonges sous Salève (Frantsa).

4) Ny fotoam-pivavahan'ny FKMSM manaraka dia amin'ny alahady 31 marsa (Paska) amin'ny 14h45 any Genève (Paroisse de servette) ary manasa antsika rehetra amin'izany: TANDREMO fa tsy hisy taratasy fampandrenesana amin'io ka dia ilazao ny namana sy tapaka rehetra izay mety tsy ho tratra antso.

5) Ny fotoana amin'ny 7 aprily (ao Ecublens) dia i Alain Razaname no tompon'andraikitra.

6) Invitation: L'île de Madagacar à Saint-Jacques pour la vente paroissiale en faveur de Terre Nouvelle. Samedi 20 avril 2002 de 9h-18h 30, Av. du Léman 26. Une garderie sera à disposition pour les tout petits. La participation pour le repas de midi est de Fr. 12.- et moitié prix pour les enfants de moins de 10ans.

7) Ny goûter ny alahady 7 aprily dia ho vidiana ka ny vola azo amin'izany dia hatokana ho an'ny Valihan'i Jehovah hanaovana fiofanana ara-panahy. Ny rano ho sotroina anefa dia  tsy handoavam-bola toy ny mahazatra.

8) Raha misy zavatra tianao ho ampina mikasika ny vaovao dia manorata mivantana aty amiko (A.R.).