Vaovao JOLAY 2006
Tatitra samihafa
Vita soa aman-tsara ny lasy tany Sur-le-Vau (Travers) ary hisaorana ny Tompo no misaotra koa ny
rehetra niara nifarimbona tamin'ny fanatontosana an'izany. Misaotra manokana an'ireo izay nahafoy
fotoana, harena nitady ny trano (Mamy sy Toky), nividy sakafo tany Frantsy (Liva sy Mamy), ireo
nanampy tamin'ny fitanterana (Rado na dia tsy nilasy aza), nanambaotra nems sy gâteaux (Mbola),
nanao ny menu (Mbola sy Ravaka), nandray anjara tamin'ny fotoam-pivavahana (ny sampana rehetra sy
Pr Ntsoa), nanome fanomezana (vary, ronono, concombre, boissons, tsaramaso, nems, assiettes sy verres à
jeter.....sns) ireo nampindrana fitaovana (Rice-cooker, sono, ...sns). Koa satria azo lazaina hoe
afapo ny mpilasy tamin'ny ankapobehiny (ankaotran'ny tabataba amin'ny alina sy ny hena be taolana ...)
dia efa manome fotoana antsika indray ny komity amin'ny pentekôty 2007 any Vaumarcus (Neuchâtel).
Ny vondrom-bavaka fanao isam-bolana dia hatao ao Sevelin (Lausanne) amin'ny 9 jolay manomboka amin'ny
03 ora tolakandro.
Ny hariva dia misy fiarahana mijery ny famaranana ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany @ foot
(avec rétro-projection sur écran) no sady koa anaovana souper canadien.
Ny isan-keritaonan'ny fifohazana dia atao any Pouru, Saint Rémi (France) ny 12-14 juillet 2006. Manantona
any Mamy na Ravaka izay maniry ny hanatrika io fihaonana io.
Iangaviana ireo izay nitondra ny fihirana FFPM na Miara Mizoatra any an-tranony mba hamerina izany.
Raha misy olona maniry ny hahazo fihirana na baiboly dia afaka misoratr'anarana @ ny mpikambana
ao amin' ny komity izy mba hanafarana izany any Mcar. Ny vidiny dia atao mora (Baiboly ~10 CHF ary
ny Fihirana 5.- CHF)
Ny fotam-pivavahana manaraka dia any Servette (Genève) ny alahady 6 aogaostitra 2006
Efa afaka fandriantsika sahady ny daty ny asabotsy 28 oktobra ho an'ny kerimesin'ny FKMSM izay
atao ao Vernier (GE) toy ny tamin'ny herin-taona.