Vaovao FEBROARY 2005
Fanombohan'ny fankalazana ny jaobily faha-20 taona
1) Misaotra an'i Atoa Ambinintsoa Randrianarijaona tamin' ny fitarihana ny fotoam-pivavahana ary koa an'i Pastera Arintsoa Zafindrika izay nitondra ny fampianarana mikasika ny vavolombelona izay teny voafidy entina mankalaza ny jaobily. "Hianareo no vavolombeloko hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiako, Isaia 43:10". Misaotra koa an'i Pastera Arintsoa izay nampandray.
2)
Ny solontena tao amin'ny Fiangonana katolika ao Annemasse, I Rtoa Randriamparany Honitriniela ary ny solon-tenan'ny FJKM, Atoa Tiavina Niaritsiry, dia samy nandray fitenenana ho fiarahabana ny FKMSM ary fisaorana ny Tompo noho izao fitsingerenan'ny faha-20 taonany izao.3) Nisy fampisehoana "diapositives" nomena ny lohateny hoe "FKMSM: Tantara sy Jery todika" novelabelarin'i Nirina Ramaniraka izay isaorana etoana.
4) Ny fiara-misotro dite dia mbola narahina hirahira (Komity, VJ, STL, Fanasina, Katolika, FJKM, ets...).
5) Ny raiaamandrenin'i Océane Andriaharifra dia manasa ny rehetra amin'ny fanaovana batisa ny zanany ny alahady 13 febroary ao amin'ny Eglise de Vich, Pl de l'Eglise, 1 (sortie GLAND) amin'ny 10h30.
6) Ny STL (Sampana Tanora Lausanne) dia manasa ny rehetra amin'ny fisakafoanana izay homaniny ny asabotsy 19 febroary ao amin'ny salle paroisialle de Sévelin amin'ny 7 ora hariva. Ny vidim-pidirana dia 20.-CHF ary ny vola ho azo amin'izany dia entina hanohana ny sampana STL.