Vaovao JANOARY 2005
1) Faly miarahaba anao sy ny ankohonanao ny FKMSM tratrin'izao taona 2005 izao. Hampitombohana mandrakariva ho anao anie ny Fitiavan'Andriamanaitra Ray, ny Fahasoavan'i Kristy Tompo ary ny Firaisana amin'ny Fanahy Masina.
2) Misaotra an'i Past. Andriamihaja Josefa tamin'ny fitarihana ny fotoam-pivavahana no sady nampandray koa. Raha toa moa ka natao katolika ny fandraisana tamin'ny Noely 2004, dia tamin'ny fomba loterana kosa ny niderana an'ANdriamanitra tamin'ity voalohany'ny taona ity.
3) Tamin'ny fivorian'ny komity tao aorianan'ny fotoam-pivavahana dia tapaka fa hisy fampisehoana sary (diapos) atao amin'ny 6 febroary ka i Toky Rabemanantsoa, Nirina Ramaniraka, Alex Randriamiharisoa, Alain Razaname ary Liva Tehindrazanarivelo no hikarakara ny fanangonana sary.