Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Accueil Voa tsara nafafy Toeram-pivavahana Vaovao Isam-bolana Fotoana manaraka Komity Sampana @ FKMSM Tetik'asa Tantara Fitsipika Sary Sary mihetsika Rohy

Tantara

 

Version Française

 

Tantaran'ny F.K.M.S.M.
ARINTSOA Zafindriaka, Novambra 1996

 

    Raha niangaviana hamintina ny tantara mikasika ity fiangonana ity aho, dia sendra ireo olana izay mpahazo ny mpanao tantara rehetra: ny fitaovana. Vitsy dia vitsy tokoa mantsy ireo antontan-taratasy rakitry ny fiangonana, ary efa saika tsy misy eto an-toerana intsony ireo rehetra izay tany ampanorenana ity fiangonana ity. Anisan'ny vavolombelona moa ny tenako ka rehefa avy namaky ireo antonta­taratasy misy, dia indro atolotro anareo ny tantara fohy mampahalala ny FKMSM.

    Marihiko fa misy ireo olona izay mahalala tsara kokoa noho izaho ny tena fizotran'ny tantara. Izy ireny no tokony ho nanoratra ity, anefa nohon'ny zava-misy dia voatery izaho ny nandray ny toerany. Ireny olona ireny indrindra no andefasako voalohany ny fialan-tsiniko. Dia misaotra anareo mialoha tompoko, ary dia mirary anareo hahita valinteny amin'izay fanontaniana mety manitikitika.

Fivoriana an-tokantrano
    Efa ela no nanirian'ny malagasy taty Soisa ny hiaraha-mivory mba ahazahoany midera an'Andriamanitra amin'izay fomba efa mahazatra azy, amin'ny vavaka sy hira amin'ny teny malagasy. Tamin'ny taona 1985 raha nifindra nonina aty Geneva ny mpanompon'Andriamanitra iray noho ny adidy vaovao izay niandraiketany, dia tsy nisalasala ry zareo fa nanantona ary nanambara ny hetahetam-pony hatry ny ela. Fianakaviana vitsivitsy tao Geneva ary no niray saina ka nanomboka fanompoam-pivavahana an­tokantrano. Tsy ela dia tonga tany an-tsofin'ireo mpiray tanindrazana hafa fonenana ny fisian'izany fotoana izany. Ary na dia maro aza ireo izay naniry ny hiara-mivavaka, noho ny antony samihafa toy ny fahateren'ny efitrano, na ny fahalaviran'ny toeram-pivoriana, dia tsy afa-nanohatra ry zareo, ary ilay "fivorian'ny mpianakavy midera an'Andriamanitra" kosa nitohy hatrany arnin'ny fomba sy amin'ny endrika mahazatra azy.

Ny fihaonana voalohany
    Faramparan'ny volana Novambra 1985 no fotoam-pivavahana voalohany tao amin'ny fiangonana Servette, Geneva. Teny fampaherezana no nentin'ny Pastora Noël RABEMANANTSOA nanokatra ny fotoana. "Tsy irery an-tanin'olona isika”, hoy izy, "satria raha mino marina isika tsirairay, fa Andriamanitra no mitantana ny fiainantsika, Izy izay efa naniraka antsika hiampita ranomasina, dia mbola momba antsika mandrakariva amin'ny fanantotosana izay andraikitra napetrany eo am-pelatanantsika. Marina fa nohon'ny fahalavirana dia mety misy ny fotoam-pahakiviana. Anefa, na eo na tsia ny havana dia misy ihany ireny fotoan-tsarotra ireny. Satria tsy ny havana, tsy ny namana, tsy ny tanindrazana no herintsika fa Andriamanitra". Tao aorian'izany fanompoam-pivavahana izany dia tapa-kevitra ny rehetra fa hiara­mankalaza ny Noely ny Malagasy.

Ny Noely voalohany
    Ny alahady 19 Desambra 1985, tao Servette no nankalazaina ny Krismasy voalohany niarahan'ny Malagasy teto Soisa sy ireo havana avy ao Frantsa manodidina. Samy niaiky fa nandray fampaherezana tamin'izany fotoana izany ny tsirairay, na ny kristiana, na ireo namana izay tonga nanotrona. Nifanaraka ny rehetra fa hotohizana ny fotoana toy itony, ka aorian'ny fiaraha-mivavaka dia hasiana fotoana fialana hetaheta ahazahoana mifankahalala bebe kokoa sy mifampizara vaovao.

    Tapaka tamin'izany fa hifandimbiasana ny fanomanana izany fotoana izany, ka isaky ny alahady voalohan'ny volana no hanatanterahana azy, ary ny tolakandro, mba tsy hifanindrian'ny fotoana amin'izay andraikitra efa raisin'ny tsirairay amin'ny fiangonany avy isan'alahady.

Ny fiangonana
    Fony niforona io fiangonana io, dia tsy nanana anarana afà-tsy ny hoe Fiangonana malagasy. Vetivety foana dia natohy teo ny anaran-tany mba hanamarihana ny toerana misy izany: Fiangonana malagasy aty Soisa. Tsy feno anefa io anarana io, satria raha marina fa aty Soisa no toeram-pivoriana dia maro koa ireo, namana avy etsy Frantsa manodidina, araky ny toerana manokana misy an'i Geneva. lreo olona miara-mivavaka ireo dia samy manana ary mitazona ny antokom-pinoana misy azy avy.

    Ny Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa.sy ny Manodidina ary dia fiangonana iraisam-pinoana. Izy dia manokatra ny varavarany ho an'izay rehetra mino an'i Jesoa Kristy. Manaja ny finoan'ny tsirairay sy izay fomba anehoany izany ny FKMSM; na ny tonon-kira, na ny tonom-bavaka ary na ny fomba­fomba samihafa amin'ny fizotry ny fanompoam-pivavahana aza. Mandritra ny fiaraha-mivavaka, raha misy heverin'ny tsirairay fa mifanohitra amin'ny finoany dia malalaka tanteraka izy amin'ny fanatanterahana na tsia izany zavatra izany.

Ireo toeram-pivoriana
    Ny Pastora Marcel HENRIET no nanasa ny FKMSM hanantanteraka ny fotoam-pivavahana ao amin'ny fiangonana ao Accacias, Geneva, izay nentiny nanomboka tamin'ny martsa 1986. Tsy nifindra tao raha tsy tamin'ny fotoana manokana toy ny Noely izay ilana efitrano malaladalaka kokoa (Servette, la Roseraie, Foyer St-Justin). Hatramin'ny volana Aprily 1993, rehefa nisotro ronono io ray aman-dreny io, ary satria nakaton'ny tompon'andraikitra ilay toeram-pivoriana, dia tao Servette indray no anatanterahina ny fotoana rehefa any Geneva mandrak'ankehitriny. Torak'izany ihany koa ny momba ny any Lôzana, nanomboka tany Malley ny Febroary 1986 ny fiangonana, voatery nifindra tany amin'ny Croix d'Ouchy nandritra ny taona 1995, ary ankehitriny dia any Ecublens. Ny fotoana manokana koa dia voatery notanterahina tamin'ny toerana samihafa: St Matthieu, Cully, sns. Marihina fa tsy mbola nivory tany Frantsa "rnanodidina" ny FKMSM hatrizay, ary amin'ity Jobily faha folo taona ity no isian'ny fivavahana voalohany aty Neûchatel.

Betsaka ny vokatra...
    Nandritra izay folo taona izay dia maro ireo zatovo no nanangana tokantrano. Maro ny tokantrano no nahazo fahasoavana ka nanolotra ny zanany. Ireto avy ary, ny anaran'ireo zaza izay noraisina ho mambran'ny fiangonana FKMSM ka natao Batisa Rtoakely sy Atoakely isany: Zala E. JAONA, Alatsara R. JAONA, Ria-T. JAONA, Andy M. ANDRIANTSOA, Christiane H. RAKOTONARIVO, Eric M. R. RAKOTONARIVO, Mirana RATRIMO, Fidy R. RATRIMO, Rindra RAKOTOMANANA, Michel A. RAZAFIMAHEFA, Nirina C. RAZANAME, lanja A. ANDRIANARIZAFY, landoniaina M. RAZAKASOA, Tina K. RANDRIAMIHARISOA, Maeva ANDRIANTSOA, Julien ANDRIANTSOA, Sitraka RAMANIRAKA, ROBEL GUERRERO Julien Rija, ROBEL GUERRERO Michael Herizo ary Thomas ANDRIAMIHARISOA. Marihina fa izay Batisa natao tamin'ny fiaraha-mivavaka ihany ireo, satria maro ireo zaza izay notronin'ny mpiara­mivavaka fa natao batisa tamin'ny fiangonana hafa.

    Ny tanora koa dia misy ireo izay nanolo-tena, nilatsaka ho mpandray ny fanasan'ny Tompo. Ka rehefa nahavita fiomanana, ny roa voalohany noraisina ho mpandray ny fanasan'ny Tompo dia Rtoa Rakotonarivo Olga sy Rtoa Donnée Rabe. Nanaraka tamin'ny 8 janoary 1989, ireto tanora fito mianadahy ireto Rtoa sy Atoa isany: Wilson ANDRIANARIZAFY, Toky RABEMANANTSOA, Sylviane RAKOTONDRAJAO, Hanta RALISON, Lanto RANAIVOSON, Hanitra RASOLONJATOVO, Voahirana RAVEROARIVONY, Ny andiany fahatelo dia noraisina ny 16 avrily 1995, dia Rtoa sy Atoa isany: Solotiana RAJAONASY, Ketaka RASON, Onisoa RAFIDIHARINIRINA, Nirina sy Elisa RAMANI­RAKA, Sahondra RAMAKAHERISOA ary Richard RAJAONARISON. Ary ankehitriny dia efa vonona sahady ny hampanao ny fampiofanana, saingy ny mpiomana no mbola tsy ampy isa.

Ny mpiasa ...
    Ny fandraisan'ny be sy ny maro anjara no mahatanteraka tokoa izay fotoana rehetra iarahana mivavaka. Teo ireo izay nitarika, ny namaky teny, ny nivavaka ary koa ny nitondra ny tenin'Andriamanitra. Marobe izy ireo ka tsy ho ary voatanisa eto avokoa. Na dia fiangonana vao tanora ary tsy manana Mpitandrina raikitra aza ny FKMSM dia tsy nahasakana ireo fivoriana izany. Na dia protestanta aza ny ankamaroany dia miezaka ny fiangonana amin'ny fanasana pretra amin'ny fotoan-dehibe toy ny Noely.

    Ary na dia samy nanana andraikitra sy fandaharam-potoana feno aza izy ireo dia niezaka arak'izay ho afany ny hanome fahafaham-po, sy hanefa adidy ka nitondra ny anjara-birikiny amin'ity fiangonan'Andriamanitra ity. Izy ireo dia i Past. ANDRIAMANANJO, Past. Théodore ANDRIAMANANTENA, Atoa Ernile JAONA, Père BAUMGARTNER, Past. Jean FENOMANANA, Past. Marcel HENRIET, Past. MARINASY, Past. Noël RABEMANANTSOA, Past. Yvette RABEMILA, Past. Ben­jamin RABENOROLAHY, Rtoa Past. Lilia RAFALIMANANA, Past. Victor RAKOTOARIMANANA, Past. RAKOTOARIVONY, Past. Andrianjatovo RAKOTOHARINTSIFA, Atoa RAMAHERISON Jonhs, Past. Samuel RAMAROSON, Past. RANDRIAMANGASOA Nahary, Past. Helivao R. RANDRIANASOLO, Past. Péri RASOLONDRAIBE, Past. Honoré RATOLOJANAHARY, Atoa RATSIRAHONANA Norbert, Rtoa Past. RAZAFIARIMALALA Bebinirina, Pasteur RAZAFIMAHEFA, Past. Justin RAZANAMAHEFA, Past. RAZAFIDRATSIMBA, Past. Adrienne ROBIVELO, Past. Djacoba T., Past. TOTOAVY. Ny mpitan-tsoratra dia miala-tsiny raha misy anarana adino. Hianareo mahalala ny fankatelemana sy fankasitrahanay tamin'izay fandraisanareo anjara, ary ny Tompontsika Jesoa Kristy anie homba anareo mandrakariva arnin'ny fanantontosanareo ny adidy efa napetrany taminareo.

Ny komity
    Mankalaza ny faha folo taonany izao ity fiangonana ity satria notazomin'Andriamanitra tamin'ny tàna-maheriny. Ny FKMSM dia manana ny komity ary ny fandaminana ny raharaham-piangonana sy ny fikarakarana ny halavorary izany no andraikiny (mitady trano, mamandrika ny mpandray anjara, mano­mana ny fotoam-pivavahana, sns). Indreto ireo izay efa nametraka ny anjara-birikiny tamin'izany andraikitra izany Rtoa sy Atoa isany: Manitra ANDRIAHARIFARA. Christian ANDRIAMASY mivady, Zafindriaka ARINTSOA, A. EGGIMAN mivady, Emile JAONA mivady, Donnée RABE, Noël RABEMANANTSOA mivady, Nadimalala RABETSIMIALONA mivady, Olivier RAFAHELIMANANA mivady, Aimée RAHARISON mivady, Lila RAHALISON, Norosoa RAHARIMALALA, Voahirana RAHARINIRINA, Guy RAKOTJARIJAONA mivady, Andrianjatovo RAKOTOHARINTSIFA mivady, Lalao RAKOTOMANANA mivady, Mamy RAKOTONARIVO mivady, Herijao RANDRETSANILO mivady, Alex RANDRIAMIHARISOA mivady, Jean-René RANDRIASAMIMANANA mivady, Rtoa Hanitriniaina RASOLONJATOVO, Daniel RAVALITERA mivady, Gladys RAVELOSON mivady, Abdon RAZAFIMAHEFA mivady, Augustin RAZAFINDRAIBE mivady, Justin RAZANAMAHEFA mivady, Hery RAZAKASOA mivady, Blaise ROBEL mivady, Adrienne ROBIVELO, Lantoniaina ROBIVELO, Léon SOLONIAINA, Liva T.

Tetik'asa [projet]
    Miezaka hatrany ihany koa ny FKMSM mandray anjara amin'ny asa fanampiana any Madagasikara. Noho ny fandraisanareo rehetra anjara dia ireto avy ny ezaka vita hatramin'izao:

    Ny niantohana saram-pianarana ho an'ny mpianatra ho mpitandrina iray nandritra ny fotoam-pianarany tao Fianarantsoa, ny namatsiana ara-bary ny toby fitsaboana boka tao Moramanga (nandritry ny 9 volana), ny fividianana bodofotsy ho an'ireo tra-boina tao Moramanga tamin'ny fandalovan'ny rivo­mahery Geralda, ny nandefasana fanampiana saram-panafody hoan'ireo kolejy teolojika protestanta telo (Fianarantsoa, Ivato, Mandritsara), ny nividianana sy nizarana sakafo tany atsimo raha sendra hai-tany, ny nanarenana ny rindrina sy tafon'ny sekoly FJKM eny Mahitsy izay ravan'ny tafio-drivotra mahery, ny fandraisana anjara tamin'ny fanorenana tobim-pifohazana tany Antsiranana, ny fanorenana trano iray any amin'ny toby Asa Lazara any Ambatolampy ("réinsertion sociale en milieu rural des sans abris 4MI de Tananarive"). Ary satria tsy mihevitra ny hiala amin'izany tarigetra izany ny FKMSM, dia nanapa­kevitra fa izay vokatra rehetra azo amin'ity Jobily ity dia hatokana manontolo hanohanana asa soa ho "tsangam-bato" faha folo taona.

 

Ny F.K.M.S.M. sy ireo Fiangonana Kristiana Malagasy

Novambra 1996

 
Araky ny efa voalazan'ny namana iray tamin'ny tantara momba ny FKMSM, ity fiangonana ity dia naorina avy amin'ny hetahetan'ny mpiray tanindrazana hiara-midera an'Andriamanitra amin'ny teny Malagasy araky ny nahazatra hatrizay, ary fomba iray hanamafisana ihany koa ny fifandraisana eo amin'ny tsirairay. Aiza ho aiza anefa ny toeran'io Fiangonana io eo anivon'ireo Fiangonana Kristiana Malagasy any an-tanindrazana sy ny Sampan’izy ireo, ety ampitan-dranomasina ? Ny hanazava fohy momba izany indrindra no anton'ity lahateny ity.

Ny Lalàna fototra
Fiangonana ekiomenika ny FKMSM, izany hoe fiangonana tsy mialon-jafy, mandray sy manasa ny Malagasy rehetra, na ny hafa firenena izay te-hanatrika na dia amin'ny teny Malagasy aza ny fotoam­pivavahana, na inona na inona antokom-pinoana misy azy. Tsy mora akory ny fanatanterahana izany fiombonan'ny mpino rehetra izany noho ireo fomba sy foto-pinoana samihafa efa nananan'ny tsirairay talohan'ny nahatongavany taty ampitan-dranomasina. Ilàna faharetana sy fifandeferana izany, ary tsy zavatra mandeha ho azy. Isaorana Andriamanitra fa afaka niaina izany firaisan'ny mpino izany ny Kris­tianina Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina, ary mbola angatahina Aminy ny haharetan’izany hatrany hatrany. Ny fomba mahomby hitazonana izany firaisana izany, izay efa narahina hatrizay ary tsy mbola hita ny maharatsy azy, dia ny tsy fametrahana fomba fitarihana fitaom-pivavahana raikitra izay mipe­traka ho Ialàna. Avela malalaka izay manolo-tena hitarika hanao izany arak'izay mahazatra azy. Ny firai­sam-pinoana tokoa mantsy dia manomboka amin'ny fahafantarana ny fomban'ny hafa sy ny fanajana izany, nefa tsy voatery hanary ny an'ny tena. Noho izany dia tsy manana ritoaly na litorijia manokana voasoratra mialoha, natao ho arahin'ny rehetra ny FKMSM hatramin’izao. Na izany aza, raisina am-pitia­vana ny soso-kevitra sy ny fampianarana momba izany omen'ireo Mpitandrina izay mandalo, izay ilaina tokoa ho torolalana, noho ny tsy fananan'ny Fiangonana Mpitandrina raikitra. Avy amin'izay indrindra no nisian'ny soso-kevitra hamoaka an-tsoratra litorjia vitsivitsy (4 na 5), alaina avy aniin'ny Litorjian'ireo Fiangonana efa misy, mba ho torolàlana sy fanampiana ireo izay hitarika. Misy ihany koa ny soso-kevi­tra hamoaka an-tsoratra ireo hira iraisana fanaon'ny FKMSM hatrizay sy ny perikopa.

Ny fifandraisana amin’ireo Fiangonana Foibe
Ny FKMSM dia tsy miankina amin'ireo Fiangonana misy any Madagasikara, toy ny Fiangonana Advantista, ny EKAR, ny FJKM, ny FLM, sy ny hafa tsy voatanisa. Tsy Sampan'ny iray amin'izy ireo izy, ary tsy misy fifandraisana ofisialy amin'izy ireo, na dia fantatry ny mpiandraikitra foibe tsirairay aza ny fisiany. Torak’izany koa ny fifandraisana amin’ireo Fiangonana Malagasy ety ampitan-dranomasina, tahaky ny Fiangonana Advantista ao Frantsa, ny FLM ao Frantsa, na ny FPMA.

Na dia izany aza dia mamaly ny antso avo ataon’ny Fiangonana any Madagasikara ny FKMSM raha sendra misy loza (rivo-doza ohatra) ka mandefa fanampiana ho an’ny mpiray tanindrazana; ary mifandray tsara amin’ireo Fiangonana ao Frantsa izay nandefasana fanasana amin’izao fankalazana ny faha-10 taona izao, ary tsy nisalasala koa hatrizay nanasa ny FKMSM rehefa misy fotoan-dehibe nataony. Izany akory tsy midika fa karazana “secte” ny FKMSM. Satria tsy misy zava-baovao ny Litorjia sy ny foto-pinoana iainana ao fa dia ny an’iray amin’ireo Fiangonana misy any Madagasikara ihany, ary indraindray ny fitambarab’izy ireo. Fiangonana avy amin’ny dika tsotra hoe toerana iangonana izy, ary ny fifandraisana sy fihavanana ao amin’Andriamanitra no zava-dehibe noho ny fiankinana amin’ny antokom-pinoana iray, arak’ilay voasoratra hoe : “Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho”. (Matio 18:20). Ny tanjona dia ny hampiray ny mpino rehetra mandalo sy mipetraka eto Soisa sy ny manodidina ao anaty Fiangonana iray tsy manavaka, tsy ho voasakan’ny fomba sy foto-pinoana samihafa. Satria nohariana mba ho iray isika mpino.
Andriamanitra anie hitahy ny dian’ny FKMSM amin’izao lalam-piraisana sy fanangonana izorany izao.

 

Version Française

Accueil Voa tsara nafafy Toeram-pivavahana Vaovao Isam-bolana Fotoana manaraka Komity Sampana @ FKMSM Tetik'asa Tantara Fitsipika Sary Sary mihetsika Rohy

 

Copyright © 2006 web master FKMSM